Galerie du projet
1 photos
FANAMBOARANA LALANA
▶️ Manomboka androany ny fanamboarana ny lalana eo amin'ny Pharmacie Anjara Tanamakoa ka beton no hatao amin’ity lalambe ity mba hanamafisana ny kalitaony sy haharetany mandritra ny taona maro. Anisan'ireo lalana mampitaraina ny vahoakan'ny Toamasina ity lalana ity ary ny tanjonan'ny Commune Urbaine Toamasina dia ny anamboarana ireo lalana ratsy rehetra eto an-tapotananan'i Toamasina. Tafiditra anatin'izany ny eo amin'ny Gastro pizza bazar kely, Score bazar kely hatramin'ny Betela tanambao 5 ary ny eo amin'ny Gare routière.
▶️ Hisaorana ny fitondram-panjakana sy ny UCRT ary ireo mpiara-miombonantoka izay manampy betsaka ny Kaominina amin'ny fanatanterahana ity asa fanamboaran-dalana eto Toamasina ity.
𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮.